SAMY TENA TIA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba hafa tena hafa
lay zazavavy izay
nandalo sy niserana
no sady niolomay
ny endriny toa maloka
tarehy mivoa-dinitra
ny saina tsy milamina
ny masony toa vinitra...
rehefa nanantonako
tsy avy dia nitsoaka
fa kaodikaody fihetsika
no sady te hitroatra...
dia indro fa nibanjina
nandinika maharitra
Angamba naminany
na koa mba nahatsikaritra
zay sainiko ato an-tsaina...
fa rehefa kelikely
noraisiko ny tanany
fa izy tsy mba taitra
zay fihetsiko narahany
niezaka aho nanantona
nibitsika mangina
fa izy tsy nanda
angamba mety liana?
dia noteneniko izy
avy aiza izato ianao?
nefa izy tsy namaly
kanefa tsy nandao...
fa tamy izay indrindra
no tsapako avy hatrany
fa nisy pitik'afo
nipoitra tany ho any
fa izy rahateo
namikitra ny sandriko
fa tsy mba nisy feo
kanefa dia tsy andriko
zay valin-teniny eo...
f'izaho mbola nisisika
niezaka namantatra
zay mombamomba an'azy
izaho tsy mbola sasatra
dia indro fa namaly...
tsy teny fa fihetsika
hoe: izy dia nijaly
fa nisy be fitetika
nanolana azy omaly
zatovo maromaro
nivimbina tavoahangy
no sady mamomamo
fa tsy nisangisangy
ka tonga dia nandavo
tsy ankitsitsitsitsy
lay vatany tomady
toa ringotra sahady...
saingy izy tsisy feo
tsy afaka nigiaka
dia indro nitoreo...
fa rehefa nozohiako
ny mombamomba azy
dia zazavavy moana
fa tsy mba vazivazy
kanefa toa vao maika
nanintona ny foko
moa izy rahateo
tomany fokofoko
no sady injao nanankina
ny lohany amy tratrako
ka henin-kasambarana
niantraika hatramy vatako...
dia teo no tapa-kevitra
fa hoe hiara-dia
izaho sy ilay tsy fantatro
fa samy tena tia



AORN
09 FEVRIER 1998
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fitiavana
430 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 15/07/2025 13:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125