SOTASOTAN'OLON-TIANA (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misitràha, dia misambàra
K’aza avela hirantiranty ny alahelo avy any anaty
Fa modia ho falifaly... ho toy ny vorona mikalo
Sy misioka vao maraina tsy mba manana taraina...
Ka lay kentrin’handrinao farasisan’adim-piainana
Fafao mba tsisy hatsikaritra...
Dia ny sefosefonao mila haningotra ny aina
Isan’andro lava izao…havalony sy akombony
Ka ny fo no avela ho tony…
Moa tsy efa fantatrao... f’izy tsy hitoetra firy
Hiara-hisitraka aminao lay mba lalam-pahasambarana
Nosoritanao sy izy?
Fa r’hefa azony zay tiany de lasana izy ka nandao
efa to ny faniriany…
Moa tsy efa takatrao efa hatrany am-piandohana
Fa filàna fotsiny ihany no nilainy taminao
Taona maromaro zao?
Sa ianao no nanadino fa nojambain’ilay fitiavany
Sy ny angolangolan-tambiny, zay fanaony taminao?
Saingy izao,,,,Manambàra hery indray
Fero zato ranomaso tsy handrakotra ny tava
Dia miràna ho toy ny anjely na ho sarotra aza izany
Ka atelomy ny tomany…
Mbola ho avy ny maraina
Mbola misy ny antenaina

AORN
07 JOLAY 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
165 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 30/04/2024 05:38)
Tena talentanareo mihitsy koa ilay mikalo fa mankasitraka Hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 13/01/2024 05:18
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1627