TANATY FEO MOZIKA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa rindram-peo milanto
Zay kanto tena kanto
No Henoko avy hatrany
Avy any lavitra any
Mangoly ny any anaty
Mandrorona tsy tanty
fa hira iray manjeny
tsy haiko lohateny
Kanefa dia naveriko
Nohenoina ombieny ombieny
Ny hafatra napetrany?
Toa mitantara mihitsy
Ny fiainantsika roa
Tanaty taona vitsy…
Fa Mbola tena mamiko
Ny angolam-peonao
Niangaly zay nambarany
Dia nokaloiko koa
Nasiako feo faharoa
Ka ampoka avy hatrany
Lay hasambara-mamy
Zay nositrahantsika
Tanaty feo mozika

AORN
23 Oktobre 2011
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
102 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 05/03/2024 14:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148