TANTSAHA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy ireny mantsy lazaina mavomavo
Na koa akoraina fa olona tanavo

Dia ambaniana foana, odiana tsy jerena
Ka ny vidim-bokatra baikona sy terena

Dia zara misy tombony, zay zavatra hamidy
Fa ny mpaka maro no tompon’ny safidy

Ny manam-pahefana iray lasitra avokoa
Raha zay ambanivohitra tsisy hamakiany loha

Kanefa rehefa hitrandraka zay zava-tsarobidy
Tadidiny ihany ireo, tambazany hifidy

Dia toy izany foana, tsy misy iray voavaha
Ny olana hatrehina mahazo ireo tantsaha

Fa izy ireny mantsy tondroina ho mavomavo
Fa ho avy ny andro iray, ny iva mbola ho avo

AORN
19 JANOARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
75 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 22/03/2024 07:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142