TEFEONAO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tefeonao ny foko, aza avela hankahala
Ampianaro hahay manaiky sy handefitra ihany koa
Aoreno ao anaty, tano mafy tsy hanala
Lay fitia tsy misy fetra… fa hikatsaka ny soa

Amboary izany saiko, mba hanaraka ‘zay mety
Ho Tolon-tsaina avy aminao, hanitsiana izany diako
Aza avela hivilivily, ka hanao zay hevi-petsy
Haminganana ny hafa, ho zary lasa fifaliako

Arindrao ny fikasako, mba ho amy tsara hatrany
Ka tsy hikatsaka intsony ny ho an’ny tena tsy hita faritra
Dia zarao ho an’ny hafa zay mety ho anjarako androany
Hisitrahany ihany koa, ny hasambarana maharitra

AORN
17 JOLAY 1997
--------
Rohy:
Sokajy : VAVAKA
75 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 15/04/2024 06:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014