TIAKO FOANA IANAO RY ZANAKO (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tiako foana ianao ry zanakohany tokana fananako
aina sarobidy ho ahy
saina, vatana, fanahy
na inona mahazo anao
dia fantaro fa izaho
no maratra am-po anaty
ka ny saina tsy hahatanty
ny hoe hijery anao mijaly
fa satry hahita anao hifaly
dia aza dia omena tsiny
'ty Neny sy ny faniriany
Tiako foana ianao ry zanako
ilay notrotroin'ireto tanako
ka raha tojo fahakiviana
Na mandalo tsy fisiana
dia izaho no mila hitroatra
ka ny anatiko hiloatra
fa tsy tiako ianao ho kivy
manoloana ireo mangidy
nefa tiako koa hahatsapa
fa ny fiainana tsy "lapa"
Ny eto misy fahoriana
fa ny Tompo no itokiana
AORN
06 NOVEMBRA 2018
--------
Rohy:
