TONGAVA SAINA IHANY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rimbona tanteraka
Lahoana sady reraka
'ty Gasikara ity
Voaroba sy voatafika
toa mandry tsisy lafika
'lay nosin'ny fitia

fa ny tena atambo
dia vita hazalambo
izay mba sahy mijoro
Rahonana amim-basy
Lay tena malagasy
Tsindrina ho torotoro

ireo zay olom-bitsy
voavidy vola mihitsy
Hiaro ireo vahiny
Ka tsisy havela hitroatra
Sakanana tsy hivoatra
Ireo tsy manan-tsiny

Fa ny fitiavan-tena
no tena mahajambena
raha mahazo fahefana
Ka tsy ahoany akory
Ny hanao zay hampaory
Manao tsy tan-dalana

Avela ho very momoka
Hatory anaty fonoka
Ny ezaka natao
sa matimaty foana
Reo niady ho an'ny tany
mba iadananao?

fa dia nahoana moa
no tsisy tafafoha
Ireo Malagasy maro ?
sa mbola azo iafiana
zakain'ny any aoriana
F'ianao tsy saro-piaro ?

Ho anao zay mahatsapa...
tongava saina ihany !!!

AORN
12 JOLAY 2023
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
342 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124