TONOM-BAVAKA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiangaviako ianao hihaino ty tonom-bavako eto ity
Dia meteza mba hamaly
Fa fahoriana sesehena no nianjady tato ho ato
Ary tena nampijaly

Misy ray mandao ny zanany noho ny sotasotam-piainana
Ka tafiditra am-ponja
Vokatry ny endrikendrika, tsy mba nisy famotorana
Mibaby sazy be mafonja

Misy reny miady irery fa namoy ilay olon-tiana
Vokatry ny hetraketraka
Noho ny ady nifanaovana, niarovany ny taniny
Tena mahavala-ketraka

Misy zaza miady irery, tsy anivon-dray sy reny
Fa kamboty mbola kely
Tsy mahita fivelomana, afatsy ny fandrobana
Tsy matahotra ny hamely

Misy tovovavy maro, tsy ampiampy fivelomana
Ka nasaina hivaro-tena
Ka ny Ray sy reniny avy no mandrisika azy hiasa
Hampanodina ny tsena

Izany rehetra rehetra izany, loza miantra tsy hay fefena
Hangatahanay fifonana
Mba jereo ireo tsisy mpiahy, mba tsinjovy ireo marefo
Hatanjaho ny ankohonana

Dia mangataka aminao, mba henoy ilay hetaheta
F’efa hiantra aman’aina
Omeo finoana mari-pototra, omeo fitiavana maharitra
Mba ho lavitra taraina

Dia isaorako etoana, ary inoako marimarina
Fa Ianao hamaly vavaka
Ray mpiahy ny kamboty, sy mitsinjo ireo mijaly
Ary tsy manavakavaka
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
506 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : Rina15
Daty : 03/09/2022 01:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015