TSARA FIAFARA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa mandrorana ny androko androany
Fa rakofan’ny aizin’ankaso
Faratazana am-paran’ny tany
Mila ho fefiky ny ranomaso

Ny alahelo no zary sakaiza
Ny toreo no mba sisa manoina
Fo torovana no indro mitaiza
Tsy mamaly reo hafa nantsoina

Niala ila reo olona akaiky
Moa nandatsa reo havan’ny tena
Indro lofika toa manjokaiky
Pitrapitra sy mangenahena

Aizin-kitroka tsisy hazavana
No diavin’ny tongotro roa
Sisam-paty no azo ilazana
Zato vatako lasa ambiroa

O ry fiainana ombam-pijaliana
Resinao aho ka trosona an- tany
Efa zatra zohim-pahoriana
ary tsy afaka miarina androany

Saingy inoako fa any andro iray
Mbola hivadika izato tantara
Ka ny lavo dia hiarina indray
ary ny hoaviko ho tsara fiafara

AORN
22 FEBROARY 2008
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
97 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 10/07/2024 14:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1039