TSIARO FITIA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miserana ambony mitazana
Toa aloka zary mandalo
Mamerina indray irony lasana
Ilay tsiaro fanao kalokalo

Fitia tsy mba zatra tambazana
Fa fo mifangia manan-tompo
Tsy tsako mialoha ny vazana
Fa hery miampita miloko

Dia mierina foana ny taona
Fa izy tsy miova, tsy miofo
Fitiavana lavitra saona
fa tiana malalan’ny foko

Inoako fa mbola hitohy
Tsy ho levon’ny fanadinoana
Ilay tempo fitia tsy mba foy
Ho embona tsarotsaroana

AORN _ 02 FEVRIER 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
299 0
Hevitra mandeha
rina15 ( 10/03/2024 07:55)
mankasitraka an'Ikalamako
ikalamako ( 10/03/2024 15:16)
am-pifaliana foana moa e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 11/12/2023 10:01
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0762