TSIKY SY TOMANY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsiky sy tomany?
Hifandimbiasantsika
Raha Mbola eto an-tany

Fa fony tao am-bohoka
Lay menaky ny aina
dia satry hisafosafo
lay kibo nifonosana
ka Dodona ery
Tsy handry izay fotoana
Handraisana ny zaza
ka rehefa tena tonga
D’injao fa tsindrian-daona
Ka mila tsy mahandry
Hahita sy hitrotro
Lay menavava kely
Zay kanto toa anjely
Dia dibo-kafaliana
Mandray am-pitsikiana

Fa misy andro kosa
Tsy azonao fantarina
No sady tsy milaza
Akory ty hatairana
Fa lasana nandao
lay olona akaiky
lay tena maminao
dia indro fa manjombona
ka tena malok’endrika
ny ranomaso sisa
no ndrao mipatrapatraka
dia kepoka sy valaka
tomany koa ny fo
dia tankina tanteraka
ka drodroka sy reraka

AORN
22.08.2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
150 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 22/08/2024 13:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1489