TSOFIKO RANO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsofiko rano hahita ny mamy zany havako zany
Ho tody amy tanjona efa niriana, ho tojo zay tiana
Ny lalana Mbola hodiavina etoana, dia mila fotoana
Tsy mora ny sakana sy sotasota ka aza manota

Mety mandalo hakiviana mazàna, ka sao tsy tamàna
Toneo tsy hisendaotra ny fo sy ny saina ndrao manapak’aina
Ny velona manko tsy alan-dromoromo zay mety mamono
Fa fanantenana no atao ao an-doha, fantaro mialoha

Ny fiainana mantsy mihodina hatrany f’zay no eto an-tany
Fa sedra sy ankaso no hamely tsy satry ka mila tsy ho tanty
K’andeha zatsy izy …tongava any am-para, ho tojo ny anjara
Tohanako an-tsaina sy am-bavaka koa, ho tafita soa

AORN
25 Aogositra 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
126 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/02/2024 17:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1282