TSY HO ELA DIA HIPOAKA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tonga ny ora farany
tsy ho ela dia hipoaka
fa toa tsy ho tana intsony
Ny alahelon'ny vahoaka
....
Vahoaka nampiafiana
an-taona maromaro
fa tsy noraharahiana
tsy nisy iray mba niaro
Vahoaka noporetina
sy tsy navela hiteny
no sahinareo refesina
natao nirenireny
Napahitana faisana
Am Jiro sy ny rano
Niaina anaty maizina
ny isan-tokantrano
ankoatr'izany koa
natao akamakama
reo tokony hisitraka
iray volana karama
Ny hafa izay tsy miasa
no mahazo tombontsoa
Ny mpiasa izay mitsemboka
nampahantraina koa
Ny mpianatra mitaky
ilay vatsy kely ianarana
tsy avela mba hisitraka
fa tonga dia fitahana
Ny tanimbarin'olona
zay hany mba fananana
Totofana tsy an-kiera
hoe hanamboaran-dalana
Ireo zay niaram-boina
voapoizin'ny sakafo
zay sisa mbola velona
tsy mba narahi-maso
Mampanotany tena hoe
sao kosa teti-dratsy
fa milamila sorona
tsy maintsy asiana maty?
ny manam-pahefana
toa mifikitra amy seza
fa mbola te higoka
ireo harena be mateza
...
ka tonga ity ny lera
fa efa tafahoatra
tsy azonao sakanana
zay olona hitroatra
fa tena misy farany
ny ratsy izay natao
mijinja izay mba sarany
ka asakasakao

AORN
22 SEPTAMBRA 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
234 2
Mpakafy: hery - rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 22/09/2025 10:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125