TSY KIVY TSY KETRAKA - AORN
Azo vakiana?
Tsy kivy tsy ketraka isika ranamana
Fa mila misento sy mba maka bahana
Tsy avela ho raraka ilay nitolomana
Fa mbola tsy lavo ny ary am-bovonana
Raha mbola mijoro dia manana adidy
Hanohitra ireo izay nanosy safidy
Ka raha mbola misy ny aina ry akama
Tsy very tsy akory ny Fanantenana
Tsy kivy tsy ketraka isika nitolona
Fa mila paik’ady sy saina mivonona
Ireto mpanongana tsy mba mitsitsy
Fa tena mitifitra nefa olom-bitsy
Na misy aza lavo sy ireo nogiazana
Noho ny fitiavana ity tanidrazana
Dia tsy mampihemotra na mampitsaoka
Satria teny farany no an’ny vahoaka
Hevitra mandeha
Skual.R (13/06/2013 19:37:29)
Tena marina ny anao zoky a! Tsy kivy izany isika e! Manasa anao aho mba hijery ny tononkaloko mitondra n lohateny hoe "fandrosoana" atolotra ho an'ireo mpanaratsy e
Mombamomba
Mpanoratra : AORN

Nampiditra : megamix
Daty : 13/06/2013
Mpamangy : 1862
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY TENA TIA NY TANIDRAZANY ?HIADY HO ANAO RY TANINDRAZAKO
HIVERINA AMINAO
MIJOROA RY LEHILAHY
SIDA DANGEREUX
TOLOM-PANAFAHANA
NOELY MIAVAKA
TOFOKA