TSY MAINTSY IKIPIANY (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miala vao maraina
Handeha hiatrik’ady
Toa… reraka sahady

Ho aiza ndray no haleha
Mba hitadiavana asa
Hanentsina zay lasa?

Dia indro ilay ranamana
Mirondrona toa fanina
Handeha hitady hanina

Fa maro ny ao an-trano
Tsy Mbola nisakafo
ka dia mitanina afo

Tsy maintsy mba mivoaka
Mitetitety toerana
Mandalo sy miserana

Mitady izao ho taomina
Ambony ity sarety…
Satria moa ny andro fety

Dia mbetika mitsangana
Miteny sesilany hoe:
“Andao fa ho entiko any e”

Kanefa toa tsy rototra
Reo olona niantsena
Sy ireo izay nifanena

ka rehefa ela ny ela
Dia injao fa savolaina
Ny vatana sy saina

Fa inona no harapaka
Sy ho hanina ao antrano
Sa ho vokisan-drano?

Dia injany misalobona
Toa malomaloka eny
Dia tsy ahitana teny

Fa vonton’alahelo
Sy latsa-dranomaso
Fa fefiky ny ankaso

Dia toy izany foana
Lay hazofijaliany
Tsy miaintsy ikipiany

AORN
03 Fevrier 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
215 2
Mpakafy: rina15 - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 12/12/2023 13:15
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.236