TSY R'HEFA HOE... (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy r’hefa hoe izao tontolo, no handa zay foto-kevitra
Nijoroanao hatrizay,
Dia ho marina ny heviny fa ny foto-kevitrao
No maha-velona ahiahy
Fa ny masonao mijery, sy ny sainao izay nandalina
Mety ho hafa noho ny hafa
Zay ilay maha-ianao anao, k’aza avela ho very momoka
Na ho maro mpanantsafa

Tsy r’hefa hoe ny mpianakavy no mandefitra toy ireny
Manoloana ny tsy marina
Dia ho rariny ny ataony, fa ny drafitr’asanao
No hany mila fanamboarana
Fa ny kirin-dohanao, vonona hiatrik’ady
Mety ho vitsy fa tsy maro
Zay ilay maha-ianao anao, toetra anaty tsy hay fafana
Tokana tsy mifangaro

Tsy r’hefa hoe ny indray mihira, hitsikera fahatany
Amy lakolosy tokany
Dia ho tsy azo lavina izy, fa ny tomban-jerinao
Zary lasa atositosiny
Fa ny fieritreritrao, tsy mijery mitanila
Sy mizara tsy mba miangatra
Zay ilay maha-ianao anao, lay nateraka ho tia
Tsy mamaky fa manambatra

Tsy r’hefa hoe ny iray firehana no hikotrika hiady
Mba ho an’ny tombotsoany,
Dia havela hanefa izany, ka ny teny atsipinao
No avy hatrany dia saromany
Fa lay tena fiainanao, miady ho an’ireo madinika
Aza avela ho very an-javona
Zay ilay maha-ianao anao, sahy manohitra hatrany
Ny herisetra sy ny jadona

AORN _06 DESAMBRA 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
449 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : Rina15
Daty : 03/09/2022 02:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145