TSY TO NY FANIRIAKO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy to ny faniriako
Raha toa tsy teo Ianao
Ry Ray Malala Tiako!
Ka ambarako eto izao:
Fa ny anton’ny fisiako
Dia noho Ianao ihany
Reo voa zay nitsiriako
Avy aminao hatrany
Ny taona nifandimby
Sy ny andro Mbola hiainako
Nananako safidy
Nampandry ny fisainako
Fa teo tokoa Ianao
Zay hany reharehako
Ry Tompo tsy mandao
Sy manda ianteherako

AORN
17 Oktobra 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fisaorana
11 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 17/10/2024 14:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2259