TY FOKO ADALADALA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray dia lasa saina
Mandinika tsy satry
Ty foko adaladala
Fa mbetika izy tia
avy eo mianjonanjona
dia tonga mpankahala

Ny tenako aza fanina
Fa olona efa tiana
Zakainy fahoriana
Ny hafa izay nahataka
Amy toetra mamoehatra
No indro omeny sehatra

Akoho tamàna an-trano
Zay efa nahazatra
Rangitina haratra
Ny efa manan-tompo
No hiriany hiara-dia
Hianoka fitia

Ry foko adaladala
Mba fero ity filàna
Mitobaka tsy tana
Meteza hahay miaina
Hamantatra ny anjara
Zay miandry anao afara

AORN
26 JOLAY 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
87 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 24/04/2024 15:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144