VAVAKA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o!
Mivavaka aho anio
Ho an'ireo kamboty tsy manan-kantenaina
Tsy manan-kitafiana... fa dia miferin'aina
mandritra ny androm-piainany...
Italahoako Ianao
Hitsetra ka hanafaka ny jaly izay niafiany
an-taona maro izao
Fa tsy tsaroany intsony ny tsiron'ny sakafo
mba tena nisambarany...
Dia iangaviako Ianao
Handefa izay mba saran'ny jaly nosedrainy
Hatramy fahakeliny...
Satria kamboty reny
Mangataka Aminao
Mb'hitsero koa reo zanany nandimby sy nandova
'ty fahantrana lalina tsy misy fiafarany...
Ka na ny hanina aza dia mbola hifampiadiana
anaty zaoridira, rehefa injay hirotsaka ny aizana sy ny alina...
Ka raiso an-tanan-droa
Ry Tompo iray Tsitoha
'zao vavako eto izao
zay iangaviako Anao

AORN
02 JANOARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : VAVAKA
183 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 29/03/2024 09:29)
mankasitraka hatrany anao Ikalamako
ikalamako ( 29/03/2024 20:07)
eny e, voaray daholo ny fangatahana fa dia atao tsikelikely eo izy rehefa mba misy fotoana iny fa mahafinaritra koa ange miantsa ny asa-soratrareo e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 12/01/2024 15:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148