VELONA IANAO IARIVO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma vetivety
Ry Iarivo nidolana
fa hanainga mba hitety
reo tsiry niandohana

Hitsidika an'i Dada
zay faka nitsiriako
fa trotraka sy lanaka
Lay tia no sady tiako


Tsy adino moa ry Zoky
nifidy ny hanajary
reo tany maromaro
zay nambolena vary

Ry zandry vavy kosa
lay hoe mpatsaka rano
taty afarapara
nanorin-tokantrano

Ry dadanaivo indray
mbola eo mivaron-kena
tsy miala raha tsy hariva
Mamarana ny tsena

Ka izy rehetra ireny
dia tiako sy lalaiko
Tsy misy ho adinoiko
Toaviko sy hajaiko

Impiry moa ny tena
no afaka hamangy
reo havana sy namana
niarahana nisangy?

ka eo aloha ianao
Ry Iarivo, nidolana
fa hanainga aho ka hitety
reo tsiry niandohana

AORN
03 MAI 2001
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
12 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 03/04/2026 13:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0386