VEREZA ZAY HO VERY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vereza zay ho very, matesa zay ho faty
Fa ady aman’aina tsy ataoko an-kitaraina
ny iarovako ny taniko ‘lay hany tsy nindramiko
Fa lova zay navelan’ireo’ Zay razambeko
Toaviko sy ekeko, namonto tany teto
Kanefa alaina an-kery ho tombotsoa irerin’
Ireo mpanjana-tany…tsipahiko avy hatrany

Vereza zay ho very, matesa zay ho faty
Fa efa sangy mihoatra ka tena mampitroatra
no ataonareo vahiny ireo tsy manan-tsiny
Harena sarobidy ahondrana sy hamidy
No alaina antsokosoko ka ampiadiana foko
dia gasy vitsivitsy mamono tsy ankitsitsy
Ny Malagasy namany miaro zany taniny

Vereza izay ho very matesa zay ho faty
Fa Mbola hisy hatrany ny hiaro ireto tany
Raha misy hetraketraka ,zay mahaketraketraka
Ataon’ireo mpanjanaka ho an’ireo taranaky
Ny Malagasy maro Zay tena saro-piaro
Ny faritra onenany Sy tany ilevenan’ny
Zanany any aorina, hiaina am-pitoniana

AORN
29 NOVAMBRA 2019
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
45 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 23/04/2024 14:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016