VOATERY MIASA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao kely izao ialahy
tsy manana safidy
handalo lakilasy...
tsy toy ny zaza hafa
zay tretrika sy tafa

I Neny moa sahirana
Hariva vao tafody
Manao zay sasa-lamba
Dia vizana sy lanaka
kanefa ireto zanaka
tezaina sy sahanina

I Dada indray... indrisy
Fa efa vovon-tany
Na farafaharatsiny
Taolana mikitrana
mifono lamba vitrana
Anirotra any ho any...

Ankehitriny kosa
Tsy maintsy miasa ialahy
Fa raha ny marimarina...
Voatery miasa irery
Ka lasa mba mivarotra
Kitay fandrehitr’afo
Lay sisa efa silaka
Tsy raisin’ny mpivarotra
Namaky vatan-kazo,
Dia zara raha mahazo…
Dia ireny indray no hamidy
Hanampy hamelomana
Amy reto ankohonana...
Raha sendra tsara tsena,
Mahazo roa arivo...
Raha miezaka tsy miato,
Mahazo valonjato
Rehefa tolak’andro...

Kanefa leisy zandry
Mahereza foana a
dia aza mora kivy
Fa any andro iray
Hitodika am’lah
Ny vintana ao afara
Hanaisotra ny aizin'
ireo zay diso anjara

AORN
22 DESAMBRA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
60 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 25/04/2024 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146