ZAKAIKO (AORN)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanefa raha ny latsasy teny izay mandratra
no asetrinao ty foko
zay tia sy tokan-doko,
dia aleo hifarana eto
fa jaly mampisento
ka ho koboniko ihany
ty masoko tomany
Ny adin-tsaiko moa
tsy avelako hamoha
reo lasa sy tsiaro
zay nifangaroharo
ndrao hila kisa indray
Hamelona ny tsiahy
Ka tonga hietraketraka
ty vatako efa hepaka
Aleo zakaiko irery
Lay foko feno fery
AORN
05 FEBROARY 2010
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona
Hevitra mandeha

rina15
(
05/06/2025 11:16)
Sitraka sy Telina Ikalamako

ikalamako
(
06/06/2025 21:33)
Misy tononkalonareo tena mandreraka an !!! - hihihi. Fanimpanina mihitsy mamaky sy miantsa azy.
Ianareo no tena ankasitrahana.
Ianareo no tena ankasitrahana.

rina15
(
10/06/2025 09:40)
kkk!!tsy hita fa izay lay inspiraka e!! Misaotra e