ZANAK'ONDRY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mandinika lay Hazo zay nifantsihanao
Sy ny ra nijininika tamy lanivoanao
Dia mampanontany tena hoe:
Fa nahoana re ianao no nanaiky hatao ho sorona
Ka nietry tsy namaly, mba hanavotra ny olona?

Raha mandinika 'lay tsilo nohodidinina amy loha
Sy ireo kapo-karavasy tsindron-defona amy fo
Dia mba tonga saina ihany…
Moa tsy maintsy hisolo vaika ka hanaiky ny ho faty
Hamotsorana ny heloka ho anay mpanao ny ratsy?

Fa ianao lay Zanak’ondry teo anivon’ambodia
Vonona ny hanolo-tena, hanavotana anay
Satrinao tsy hisy ho very, satrinao hifankatia
Reo vahoaka sesehena, ho todisoa an-tranon-dRay

AORN
18 JOLAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
63 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 03/09/2024 12:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1584