ZARY MANKALEO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia lasa ny fisainana…fa dia nahoana loatra?
No mifandrombaka amiko ‘ty etraketra-piainana?
Fa rehefa mba hitsidika avy eo am-baravarana
Ilay hafaliana kely laroina fahasambarana…
Dia tampoka avy hatrany…
no indro indray misisika tsy mampilaza akory
Reo sotasota ratsy, mandrotsaka tomany

Dia lasa ny eritreritra,,,fa dia nahoana loatra?
No mifanindran-dalana ny soa sy ny hetraketraka?
Fa rehefa mba mitsahatra ny atambo mifanesy
Zay nampihorin-koditra nanenika ny fefy
Dia tsy hitahita indray…
F’injao miraondraona… manao bebe fiavy
Ny ankaso sy ny atambo, mitambatr’ho iray

Día lasa ny ambiroako…fa inona mihitsy?
Reo zava-dratsy vitako, no día hampahoriana?
Fa ireo zay tsara fantatro, nezahana natao
Tsy hitahita akory fa lasana nangiana?
Día tampoka avy teo…
Injany fa mandondona…manao zay fara-heriny
Ny anjara manaketraka, toa zary mankaleo

AORN _02 FEV 2016
--------
Rohy:
361 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : Rina15
Daty : 03/09/2022 02:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011