ADOLANTSENTO (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanora maromaro tsy fantatrao mankaizaAnkizy miala sakana sa zaza ratsy taiza?
dia mifangaroharo tsy misy ny hoe ahoana
No sady tsy mba rototra manenjika fotoana
Fa raha zohiana akaiky, jerevanao maharitra
dia misy fialamboliny ekeny ho mahafinaritra
ny sasany mamatsy, ny ankilany mividy
fa betsaka karazany, ka mila misafidy
Havoaka avy any am-paosy, fonosan-taratasy
Atao kinafinafina, toa mahamahan-dratsy
dia iny fa manandrana ...atehaka amy lela
dia raikitra ny sera fa tsy iandrasana ela
Iretsy am-pita kosa, mandoro ilay fonosana
Midoroka mifoaka, dia iny no ilofosana
Dia hita mankafy, finaritra aok'izany
Fa tsy mahatsiaro intsony mipetraka amy tany
F'iry no tena loza: mitsindrona amy tanany
Ny sasany amy zany dia mihindrana ny namany
Avy eo dia miolakolaka, mandady sy mianjera
mahery vaika angamba, dia io miveravera
Tsy lahy tsy vavy ireo, fa samy tafaroboka
tsy mahalala intsony ny zavatra mamotika
dia mahafinaritra azy ilay "sambatsambatra" iny
tsy misy sakantsakana,moa izay ilay faniriany!
Fa raha atao ny kajy, miavosa ireo tanora
tsy te hiasa saina, fa maka moramora
an'iza ny hadisoana, ary iza no tsiniana?
Adidin'iza koa, sa tena fanahiniana?
Ho antsika Ray sy Reny, beazo re ny zaza
dia zaro lala-marina sy anatra sahaza
Raha ho anareo Mpitondra, meteza mba hijery
zay tena mahasoa, no ataovy manan-kery
Adidintsika ireo, tsy misy ho afa-maina
Fa aza mba manilika na koa miferotr'aina
Ny zaza tsara taiza, no harena tsara indrindra
Ezaho manomboka eto, hanova ny famindra
AORN
09 JANOARY 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Mpakafy:
rina15
