HETRAKETRAKA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy tena misy,
Ray mba nianteherana
Kanefa dia nandao
Lay menaky ny aina
Zay efa tsisy reny
Tsy misy antenaina

Misy tena misy,
Reny izay niteraka
Nitsoaka ity akany
Fa leon'ny fahantrana
Ka nitady hafa
Dia lasana tsy tana

Misy tena misy
Zanaka ao an-trano
Dia sahy manangan-tsandry
Lay kibo nifonosany
Fa hoe tsy manam-bola
Ka zary atositosiny

Misy tena misy
Gasy ray sy reny
Fa sahy mandatsa-drà
Sy Manapotipotika
Ny gasy toa anazy
Tsy avela raha tsy rotika

Misy tena misy
Manam-pahefàna
Mibodo samy irery
Ny tany sy fananana
Hatramin'ny harenan'ny
Isam-baravarana

Eny...misy tena misy
Raha mbola eto an-tany
Ranomason'olona
Mirotsaka hatrany
Noho ny hetraketraka
Mitranga sesilany

AORN
05 jan 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fiainana
153 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 01/04/2024 03:59)
Isaorana hatrany amin'ny fiaraha-miasa Ikalamako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 05/01/2024 21:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151