RIRININA (ASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô,
raha azonao atao
foany ny ririnina
fa io no fe-potoana
iketohan'hirifiry
sy maha-ambavahoana
ny nofonay mahantra !


Ny asa mantsy tsinona
tsy azonay avela
Ny hery anefa mihena
ny kibo feno tapaka
tsy afenina fa noana
ny erika, fanala misovoka tsy ela
Hatramin'ny tsinay
atangolingoliny
hatramin'ny fanahy
atambolombolony.


Nefa atao ahoana moa !
iafiana foana foana
Ny vola hitanao fa ts'isy
raha ny amidy akanjo ba
mainka, aiza moa no hisy
raha sanatrian'ny vava ka....

Andriamanitra ô
Raha azonao atao
foany ny ririnina
na dia efa fantatro aza
fa tsy hiety tsinona !

Tsy ahy irery mantsy Ianao !


ASINIONY
31 Janoary 1997
Nalaina tamin'ny boky " AKOM-PIAINANA "
--------
Rohy:
1508 2
Mpakafy: MAMINTANTELY - endrika01
Hevitra mandeha
hery ( 27/07/2009 07:43)
Tiako ilay tononkalo, ohatran'ny karazana hatsikana ihany.
Raha foana ny ririnina dia hangataka indray hoe avereno ny ririnina :-p
Io ilay hoe Tsy mety afa-po fa hay moa olombelona koa.
endrika01 ( 29/07/2009 17:32)
Refa tonga ndray ny fahavaratra,dia mangataka hoe,mba foano reh,ny kotrok orana,tsara lay vetso kah.
Mysento ( 02/08/2009 11:56)
iafina,na ririni-maman'ala.
izay mitranga anio,dia zakaina,
avokoa.
nannie ( 25/02/2010 08:16)
Ny ririnina sy ny zava-drehetra toa azy anie ka mitaiza ny fanahy matoa misy e ! Ary fanahy harena !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ASINIONY
Nampiditra : tslem
Daty : 26/07/2009 17:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136