FOIKO. (ASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Foiko an-kitsim-po
ho famadibadik'ireo maso te hahalala
ny Kanto nongoniko, angola noforoniko.



Foiko indrindra koa
ho an'I Nosy Masina tsy manana sahala
Ny soratry ny peniko, hanasinako ny Teniko.


Foiko hanasoa
an'izao tontolo izao sy I Madagasikara
ny afon-java-kanto soronana tsy miato.



ASINIONY
25 Aogositra 1998
(Nalaina tao amin'ny boky AKOM-PIAINANA)
--------
Rohy:
1348 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ASINIONY
Nampiditra : tslem
Daty : 17/02/2011 11:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138