You are here: home > Vetso

... Ve? - Atonamia

Azo vakiana?

Raha misy kiky mianjady
Anatinao, anao mangina
Tokony ho lazaina ve?
Ampandrenesina 'lay tiana?
Sa mba tsy hampitranga ady
Dia tokony hampangina
Ny adisaina hodian-tsy re?

Ilaina ve ny tsy miteny
Hitsinjovana ny ho avy
Ka ho afenina ireny
Ahiahy zay mampanavy?
Mety hahatonga kotrok'orana
Hampivaha ilay fatorana?

TSIA, aleo fihiniko eny ihany
Gadraiko, hidiko anatiko any
Aleviko impito tsy hitranga
Ka zay rehetra mety ho banga
Vokatry ny ahiahy
Ekeko ho fahadisoana ho ahy

Sokajy : Ahiahy, Fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Atonamia

Nampiditra : atonamia
Daty : 01/02/2009
Mpamangy : 891
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Atao Ahoana
Ho Anao
soratro
Hatraiza Ny Fetra
Voady
Tiana
Hafeno