Ho Anao - Atonamia
Azo vakiana?
Mangatsiaka 'zato alina
Mamirifiry mahafanina
Mahatsiaro anao mangina
Malahelo anao ry tiana
Maharary ilay fery
Nefa dia tsy maintsy hiafina
Mila anao hitondra hery
Tsisy anao aho ka gina
Any ho any 'zay ianao
Sambatra tsisy ahiahy
Raha mba fantatrao f'izaho
Marofy tsy mba misy miahy
Noho izany rehetra izany
Hitalahoako ho re tany
Iriko ho anao ny soa rehetra
Fiadanana tsy hanam-petra
H.C. 28/11/09 00:28
Sokajy :
Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : Atonamia
Nampiditra : atonamiaDaty : 28/11/2009
Mpamangy : 1141
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Atao Ahoanasoratro
Hatraiza Ny Fetra
Voady
Tiana
... Ve?
Hafeno