INDRISY (AZRAEL)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asakasakao ry tiana
Raha vitanao ny hiraikiraiky
Hanitsakitsaka ireo dina
S'izay niarahana nanaiky

Fa moa mba nosaininao
Ity masoko manganohano,
Noho ny antambo vitanao
Sahy nivadi-belirano?

ireo lasantsika rehetra indrisy
Toa nofy fa tsy tena nisy,
Akory atao f'izay no anjara
Ka nivalona ho tantara

Ny mitso-drano sisa izao
No hany azoko atao,
Fa na hisaona mantsy tsinona
Tsy hampiova n'inon'inona

AZRAEL
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
483 1
Mpakafy: azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AZRAEL
Nampiditra : azrael666
Daty : 06/03/2023 08:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106