You are here: home > Vetso

RAHA IZAY NO SITRAKAO - AZRAEL

Azo vakiana?

Raha tianao ho maizina ny androko rehetra,
Raha tianao ny hiainako fijaliana tsisy fetra,
Raha izay no sitrakao, tsy maintsy hoe handao,
Dia avelao ny fiainako ho potika sy lao

Raha sitrakao ny androko tsy mba hisy haniny,
Raha sitrakao ny fiainako tsy mba hisy maminy,
Raha tianao ny hiainako anatin'ny toloko,
Dia ilaozy ny fiainako, ilaozy koa ny foko

Raha tianao ny fiainako ho rakotra alahelo,
Raha tianao ny hiovan'ny fanahiko ho avelo,
Raha sitrakao ny hamela ho ahy ratra anaty,
Dia ilaozy ny fiainako, avelao aho ho faty!!!

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : AZRAEL

Nampiditra : azrael666
Daty : 24/11/2022
Mpamangy : 79
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

VOADY
Raha ho avy ilay alina ts
HONOHONO
HONOHONO VE
DIARY