Ati-doha (Bob Ramanamiravaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ati-doha
Ianao irery ry ati-doha
No izy ilay tsy tia matory
Fa ny tianao di any ny mifoha
Mba tsy hisian’ny sorisory

Ny ati-doha mantsy dia betsaka fahavalo
Ka noho izany dia mila kojakojaina
Mila fiarovana satria mandala
Mba tsy hahatonga ny ati-doha ho malaina

Misy ihany anefa ireo zavatra ilainy
Noho izany dia mila fahafaham-po
Mba ho fanasoavana azy hatrany
Sady mba hahitany ny tombotsoa

Eto kosa anefa dia anjaranao ny misafidy
Ireo zavatra omenao azy mba ho sakafo
Ary ny safidianao ihany koa mantsy no fanalahidy
Mba hahafahany manome hafaliana ny vatana mitafotafo

Ianao koa mantsy no mahalala ny ratsy sy ny tsara
Ka noho izany dia tokony ho tsara fisafidy
Mba hiadanan’ireo taranaka amam-para
Sy tsy mba hahazoan’ireo ny fiainana mangidy

Noho izany, ianao no antoky ny zavatra rehetra
Ianao koa mantsy ilay manana toerana ambony
Fa satria ny ati-doha dia manam-petra
Efa nomena anao ny fanalahidy hahafahanao mampitony
23/11/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
82 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hevitra mandeha
ZavonaRakoto ( 14/11/2024 08:16)
saropady ny ati-doha a! mankasitraka sefo a.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob Ramanamiravaka
Nampiditra : Bob Ramananamiraka
Daty : 13/11/2024 12:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0661