Fitiavana mangina (Bob Ramanamiravaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady kely ange r'ise
Fa misy teny kely tiako holazaina
Teny efa tiako holazaina anao elabe
Saingy tsy sahiko nolazaina na tantaraina

Inoako anefa fa efa mety fantatro
Na dia hoe tsy lazaiko anao intsony
F'ilay fitia midoboka ao anatiko ao
No mampitempo azy isan'andro tsy mety mitony

Vahotra ny lelako raha vao hoe hanambara
Hanambara ilay fitia raha eo imasonao
Saingy noteren'ilay fitia ka tsy maintsy mitantara
Nefa ity foko raiki-pitia amin'ny fonao

Ity foko anefa tia anao ka tsy tantiko
Raha toa ka holavinao ihany
Ka ilay fo mitempo fitiavana anao ato anatiko
Sady mitombo fitiavana anao hatrany

Koa asakasakao re ry malala
Ka hampitomboanao ity fahoriana
Raha mbola hampijaly ity foko adaladala
Dia mba raiso re fa dia aza ampijaliana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
193 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob Ramanamiravaka
Nampiditra : Bob Ramananamiraka
Daty : 05/10/2024 11:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0611