Ny Hafatrao (Bob Ramanamiravaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HAFATRAO

Voaraiko daholo ireny hafatrao ireny
Nampitondrainao olona fa ianao tsy sahy niteny
Misaotra fa voaraiko ilay diam-peninao
Ny nilazanao hoe tsy anjara ny antsika la aleo mifandao

Misaotra anao nilaza fa saingy efa fantatro
Matoa tsy nanontaniako ka ny ranomaso no alatsatsako
Tsy tianao intsony aho ka noraiketinao an-tsoratra
Fa raha vantaninao amiko tsy sahinao mamboraka

Nosoratanao ilay hafatra ao anaty taratasy iray monja
Diam-penina voasoratra amin'ny teny izay mafonja
Nampalahelo izany foko ka nanamaizina ny tany
Nampilofika ny hambom-poko sady nampirotsaka tomany

Bob Ramanamiravaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
53 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bob Ramanamiravaka
Nampiditra : Bob Ramananamiraka
Daty : 27/04/2024 18:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139