MPANONOFY ATOANDRO (Baraingo Valo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tahaka anay izao no mpanonofy atoandro
Satria manonofy te hiaraka aminao.
Hihamangatsiaka ihany anefa izato masoandro
Fa mbola tsy tanteraka ny nofiko hatrizao!

Dia manontany tena aho hoe fa angaha dia nahoana
Ireto masonao no tsy mety miantefa
Ato anatin'ito foko babangoana
Izay sasa-miantso anao nefa ilaozanao milefa?

Na ny anarako amin'izany dia odianao tsy tsaroana,
Satrinao hantsoiko ho toy ny anabaviko!
Satrinao angaha hahita ahy ho faty noana
Toy izay ny hanome ity fitiavana tadiaviko?

Baraingo Valo
05-03-2019
23 h : 40 min
--------
Rohy:
823 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135