Tiany (Baraingo Valo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tiany ianao
tsy lainga akory izany
ary tsy misy mihoatra anao
ny tiany indrindra eto an-tany...

Efa ianao no hany tokana nianjadian'ny fitiavany
niriany manonkana ho namana sy havany
rehefa manirery izy na lalovam-pahoriana
na sendra mila hery hitondra fitoniana
dia ianao no tiany hantsoina, hanokatra ny fonja
Izay manidy azy. Na dia indray minitra monja.
Ny tsikinao aminy no mba anjara masoandrony
ilay hany andrandrainy hampamiratra ny androny
raha toa tsy misy anao hitsikitsiky aminy
dia ho haizim-pito hatrany no hameno ny akaniny...

Eny, ianao tokoa tokoa ilay tiany hantsoina
mba hiara-dalana aminy kanefa tsy manohina
O! mba inona loatra re no ratsy eny an-tavany
no dia lavinao ny antsom-pitiavany!

Azonao atao ny manaiky na mandà
kanefa na izany dia tsarovy foana fa:
"tena tiany ianao
ary tsy mba lainga akory izany
tsy mbola nisy nihoatra anao
ny tiany indrindra teto an-tany!"

BARAINGO VALO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1038 1
Mpakafy: tala8romain8
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138