TSY TIANA (Baraingo Valo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isak'izaho mitory fitia
Amin'izay olon-tiako sy mendrika iarahako,
dia matetika foana no valiana "TSIA"
tsy misy mamaly izay fangatahako!

Niriko ny hanana fiainana vao,
kanefa indrisy toa lavina hatràny;
satria mantsy, hono, mahantra aho
ka tsy mendrika omena ny momba an'izany...

Ny aretiko anefa mihamikiky mikiky
mihàmandroso tsy ho azo tsaboina,
Izay tiako anefa tsy misy mitsiky.
Tsy tiana aho kanefa baboina!

2014
in, FAMINTINANA
--------
Rohy:
943 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138