NY TENA TIA (Clarisse Ratsifandrihamanana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena olon-tia
Tsy ilay mitia tanatin’ny tantavana
Ny hany mavamavana,
Ny hany feno aina :

Felana tanora
Manindrahindra saina,
Malambo sy bakora…

Tsy ilay mitia
Ny bika mijaradona
Mandrendrika ny dia
Anivon-gadongadona.

Na ilay mitia
An’andro mibaliakan’
Ny hira sy ny dihin’
Ny endrika sariaka…

Tsy ilay mitia
Tsanganana tomady,
Na ny mpankafy
Ny andro lavitra ady.

Tsy ny mpankamamy
Ny hany taona zina,
Ny mamy tsy ho lany

Mitondra fifaliana
Ny hanitra aelin’
Ny tohotra tantely.

Tsy ilay mirehaka
Rehefa injay mipoaka
Ny ombain’ny tehaka
Sy hobin’ny vahoaka.

Fa ny tena tia
Dia afaka hitia
Anatin’ny manjombona
Ny zavatra tsy mety

No mainka hampiombona
Ny lalàna toa ety
No mainka hifandrindràna..
Ny riaka manindao

Sy mampihanahana
No mainka hitenenana:
“Roso izaho sy ianao,
Tsy misy hanenenana

ClarisseRATSIFANDRIHAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5850 3
Hevitra mandeha
hjravs ( 24/04/2015 09:01)
misaotra an'i Andry 1000 nampiditra an'ity tononkalo 'ty, fa 'zaho tena mankafy ny tononkalon'i Clarisse R.
rfanomezantoky ( 24/09/2019 12:17)
Izany tokoa kay moa ilay tia e! Voaray ny hafatra :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Clarisse Ratsifandrihamanana
Nampiditra : andry 1000
Daty : 24/04/2015 04:47
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099