Fitia miafina (D.L.A)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Itia ihany aho,itia mangina anao
na dia mafy sy mangidy
ny tsy amboraka izany
marary,mampitomany
azoniko ho ahy irery,
fitia tsy atao antery

itia ihany aho,itia mangina anao
na dia tsaroaka fa tsy ho vitako
ny hitahiry izany ampo
feheziko ihany aloha
dia ho raiketiko ho diary kely
ny nofiko tsy hihely

Itia ihany aho,itia mangina anao
fa ho tsapako eny ihany
mbola itony ny tomany
dia ho tojo fitia lavorary
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - Fitiavana
1329 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : D.L.A
Nampiditra : D.L.A
Daty : 23/08/2013 09:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156