Tsy hiteny intsony (D.L.A)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angina aho angamba ka tsy iteny intsony
angina mba itony
ilay foko misaboaravoara erikitra
marary fa mifikitra

resin'ny nofinofy lalina
fitia,fatsiarovana,nahafanina
angina de aleo tomany
no anehoana fijaliana mamy

aleo itony kely mitsy re ra mety
fa mafy tena mafy izany miventy
miantsoantso anao oe 'tiana'
ilay tiako nihafiana


fa very anjavona daholo
rava fona ny tontolo
anoratako tononkalo ho anao sisa
itahirizako fitia an'tapitrisa

dia angina aho fa tsy iteny intsony
fa maika ho rava ko ny fony
raha ho vetsoko eto foana
ny fitiavako azy andava taona
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1539 0
Hevitra mandeha
hery ( 06/09/2013 08:33)
Tsara fa misy tsipelina vitsivitsy tokony hahitsy... indrindra ny tsy fampiasàna ny "H"
Matetika olana ho an'ny teny malgasy ofisialy io hoe misy "H" sa tsy misy "H" io. Ny teny betsileo tsy mba manana olana satria tononiny tsara daholo ny "H" rehetra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : D.L.A
Nampiditra : D.L.A
Daty : 06/09/2013 07:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134