Ho an’i FO (D.L.A)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ô ry foko kely!
fo kely tia mirenireny
anaty ala tsilo
mitandrema so maratra
tehirizo tsara ao tratra
zay fitia kely ananao angony ndrao
any aorina any mbola hisy ilana izany
ka eo ianao vao serana, tsy afaka sy ferana
fa efa lany anjara, ka tsy sahy mizara
fay fa dia naratra
fitia kely tsy omby tratra
ka tsy afaka ankamamy
ilay fitiavana vinany, fitiavana madio

Ô ry foko kely !
fo kely toa irery
aza maika fona mbola ho avy ny fotoana
hisy foana hankatia anao,
ilay johary nofinao, felana vaovao,
marainam-pifaliana lavitra akiviana
io ilay mamy sarobiby
tantely lafo vidy
ô ry foko kely
fo kely tia mireny
fo kely toa irery
--------
Rohy:
1104 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : D.L.A
Nampiditra : D.L.A
Daty : 23/08/2013 12:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133