Tia (D.L.A)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nofy izany tsy hitia anao intsony
nofy ny anadino ireny lasa
nofy ihany ko ra mba itony
izato nofiko mitanisa ny kinasa

nihezaka,mihezaka,ary hihezaka
fa ao anatiko ao mbola mahatsapa
eny, mafy fa madoro ka tsy zaka
ilay fitiavana efa lalipaka

nitia, mitia, hitia
fitia tsy ho ritra sanatria
fitiavana miharitra,maharitra
voady mifamatotra mafinaritra


fa tokako, natokako,
ianao,ho anao irery ihany
ny foko, fa tiako loatra ianao
satria tsy nofy, tia ahy koa ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1213 1
Mpakafy: D.L.A
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : D.L.A
Nampiditra : D.L.A
Daty : 04/09/2013 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163