"alina mangina" (dafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy alina mangina
Mampitondra fahoriana
Tsy ahitako fifaliana

Alina iray
Tsy fahitako hatrizay
Fa toa mampamoa indray
Ireo alahelo nandoro ahy

Alina hafahafa
Toa tsy mety ho voafafa
Fa miraikitra ao an-doha
Ka mankarary fo

Alina miavaka
Raha samy mbola alina
Fa toa manome alahelo lalina

Alina mampahory
Tsy ahitako tory
Sy tsy ahitako fiadanana
Ary koa fahasambarana
--------
Rohy:
1451 2
Hevitra mandeha
kiala.andria ( 12/12/2017 12:11)
mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1681