any izao ianao........ - dafa
Azo vakiana?
Any izao ianao,any ambadika tsy tazako any
fa akaikiko eto ihany.
Any izao ianao,mirana aok'izany
fa ny eto kosa,
atosikin'ny embona sy ny tsiaro mihavosa
dia mila handatsaka tomany......
.....any izao ianao,r'ilay mpisangy ny fitiavako
eny an'habakabako.
Any izao ianao,r'ilay mpively kanota
sy mpamandrika amin'ny tonta
ny fitiavako kanosa....
Oh!....... Any izao ianao............
Any izao ianao,mitafy ny fitiavany,
manjaka ao amin'ny lapany.
Any izao ianao,miliba dia miliba
miaraka amin'ny bandin'Iarivo,
saingy izao no tsiahivo...
Ny eto amiko eto ihany no tena hoe fitiavana
na dia hoe tsy manana
fa zanaka sahirana sy mitafy fahantrana....
Oh!........... Any izao ianao.........
#Dafa (19/05/18. Bemasoandro itaosy)
Hevitra mandeha
nalsonrazakariasa2015 (22/05/2018 17:10:01)
Mombamomba
Mpanoratra : dafa

Nampiditra : kiala.andria
Daty : 22/05/2018
Mpamangy : 967
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
handrikoMAMPANDRY TANY HOE ?
HO AVY
FIANGAVIANA FARANY
Reny lafatra
ny teto.......
nandalo teto......
soraty re ry peniko
"Tsy hitia intsony"
"meloka ve aho?"