Embona sisa! (Dan)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Embona sisa ny lasa rehetra
Indrisy tsy fantatra zary tsy azo
Toa embona lalina ka mitoetra
E!Vovoka sisa ilay voninkazo

Embona sisa ilay mba noheverina
Any dia tsy re ary lasa nitony
Any dia any ka tsy mba niverina
Any dia any ka tsy hita intsony

Embona sisa ilay nantenaina
Indrisy fa ratra tsy azo ialana
Ny fasana sisa no sary ao an-tsaina
Toa nofy mangina tsy manam-pitana.

Embona sisa ka mbola eny ho eny
Tanaty fotoana tsy ela fa fohy
Indrisy fa rivotra sisa ireny
Niantefa tanatiko lasa mitohy

Embona sisa no reko misoko
Nangirifiry tsy zaka avokoa
Ny alina tamy ka mandona ny foko
Sorisory mavesatra mafy tokoa

Embona sisa no mba hiarovana
Ny lasa efa razana tsy mba masoandro
Ranomaso mangina no hahatsiarovana
Nandriaka ka indro nifarana ny andro

Embona sisa no vetsovetsoina
Ny taolan'ny lasa tsy androko anio
Ilay eritreritra mba nikaloina
Tadidy mandrakotra an'io foko io

Embona sisa manaloka hatrany
Indrisy ry tany fa toa mivangongo
Embona sisa fa izaho mitomany
Kinanjo mandona ary manongotsongo
--------
Rohy:
681 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hevitra mandeha
ikalamako ( 08/08/2019 21:18)
mandona loatra lay ainga oooo.. misaotra e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dan
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 03/08/2019 13:09
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147