You are here: home > Vetso

Mbola tsy fantatra - Dan

Ny kintana avo sy volan'ny foko
Takona ka indro fa tsy mba mazava
Nanjary voasompatra ka indro toloko
Rakotra rahona tsy afa-misava

Tsy mba nipoitra izy ireny fa any
Indrisy ilay masoandro fa tsy hita!
Lasa ny anio ary ny alina tamy!
Foana ka rendrika tsy ho tafita

Toa embonembona sisa mitroatra
E! Aizina re no mamonto ny maso
Na dia mandroso aza tsy afa-mihoatra
Ô! Mandriaka loatra izato ranomaso

Mampalahelo ianao ry masoandro
Indrisy ry kintana sy volan'ny tany
Toa efa madiva tsy ho hita ny andro
Ka mbola tsy fantatra ny anton'izany


        25 Jolay 2019

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Dan


Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 03/08/2019
Mpamangy : 172
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

"Raiketo ho anao"
"Fasan'avelo"
Embona sisa!