"Fasan'avelo" (Dan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nokendreko mba hosoloiko
Ilay fasanao
Indro fasan'avelo ny foko
Ka manahy na izao
Ao ny nofy madiva
Izay tsy mba nalaina
Ao ny vovoka iva
Novolavolaina
Namindra tao ny tongotra
Na mandroso efa alina
Ny vetso tsy miongotra
Ka zary nivalona
Ianao no hirahirako
Izay hita tena kanto
Indro hiankinako
Ilay fasana milanto
Tsy mba nofo no hifoka
Ny rivotra tsy donto
Ankamantatra no sodoka
Na tandindo-manonto
Ny aizina mangidy
Mitàna tsy mazava
Tsy mba masi-mandidy
Ilay foko tsy rava
Izay mba nokasaina
Tsy manan-tontolo
Ao ny fasan'ny saina
Ka maty daholo
Toa fasan'avelo
Ilay foko hatrizay
Ka rotsiko alahelo
Na ho mandrakizay

29-novambra 2019

"Fasan'avelo"

DAN
--------
Rohy:
587 1
Mpakafy: nytsiarodan
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dan
Nampiditra : nytsiarodan
Daty : 10/08/2019 13:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146