"Raiketo ho anao" (Dan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny anton'izao alaheloko izao
Dia raiketo mangina ho anao irery ihany
Izay tsiambaratelo efa lalina ao!
Toa mitampody ary mampitomany

Mba lazalazao re ry lasa nantsoiko
Ny hiran'ny kintana efa mirindra
Ny masoko roa sisa safosafoiko
Izay narahina sento maharitra indrindra

Naniry aho kanefa indrisy ry tany
Izay mba nazava nanjary fahoriana
Raiketo ho anao re ny anton'izany
Raiketo irery raha mbola any aoriana!

Aizina re no mandona ny saiko
Toa taolan'ny lasa ka mbola tsy hita
Mba rotsirotsio re fa miala ny aiko
Raiketo ho anao re izay zava-bita!

08-jolay 2019
"Raiketo ho anao"
#Dan#
--------
Rohy:
735 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dan
Nampiditra : nytsiarodan
Daty : 10/08/2019 13:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135